”
#5476HadeethEnc[Mari-pototra sy tsara]
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontanian…
”
#5478HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.
”
#5479HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy lavina ny Doan eo anelanelan'ny Azan sy ny iqamah."
”
#5482HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako, ary atsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny fivelomako, ary atsarao ho ahy ny ankoatra misy ny fieverenako,…
”
#5483HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abo Mossa (R.A) fa i Mpaminany (S.A.W) dia nangataka ity Doan ity : “Ry Tompoko, mamelà ny heloko, ny tsy fahalalako, ary ny fihoaram-pefy amin’ny raharahako rehetra, ary ianao no mahafantatra tsara noho izaho. Allah ô, mamelà ny heloko, izay fan…
”
#5485HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny manao hoe : I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadana…
”
#5487HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) renin'ireo mpino silamo, nampianatra azy ity Doan ity i Mpaminany (S.A.W) : "Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao…
”
#5488HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezer…
”
#5489HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amrio Ibn Al-Assi (R.A) niteny fa i Mpaminany (S.A.W) dia mangataka Doan amin'ireto teny ireto : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".
”
#5490HadeethEnc[Tsara]
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : Hoy izy rehefa tratra ny maraina : “Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hi…
”
#5493HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’i Allah fa aza…
”
#5495HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy amin'i Abo Darda' (R.A) niteny hoe : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny mpanozona dia tsy ho vavolombelona na mpanelanelana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty."