Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
Explanation
Ny Fatahorana an'i Tompo Allah sy fanànana fitondran-tena Tsara sy Mendrika.
Koa ny Fahatahorana an’i Tompo Allah : dia ny fametrahana fiarovana eo Aminao sy famaizan’i Tompo Allah, ary izany dia ny fanatanterahana ny Didiny sy ny fialana amin’ny Fandrarany.
Fitondran-tena Mendrika dia : Atao amin’ny fitsikina eo amin’ny Tarehy sy ny fanaovana Asa soa ary ny fitsaharana amin’ ny Ratsy.
Ny antony lehibe indrindra hidirana amin'ny Afobe dia antony Roa :
Ny Lela sy ny Taovam-pananahana.
Anisan’ny Ota sy Fahotana ny Lela : Mandainga, Mifosafosa, Fitondrana resaka mampiady, sy ny hafa.
Anisan'ny Ota sy Fahotana ny Taovam-pananahana dia : Ny fijangajangana, ny Sodomia, sy ny hafa.
Benefits
Mampidi-doza ho an’ny tompony ny Lela, ary anisan’ny antony hidirany amin’ny Afobe izany.
Ny loza ateraky ny fanirian-dratsy sy ny fijangajangana amin'ny Olombelona, ary izany no anisan'ny antony lehibe indrindra amin'ny fidiran'ny Afobe.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

