Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy manao hoe : Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».
Explanation
Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Izany feo renareo izany dia vato nazera avy tany amin'ny sisin'ny afobe, fitopolo taona lasa izay, ary efa nianjera sy nivarina tao aminy mandra-pahatongany ambany indrindra amin'izao fotoana nandrenesanareo ny feo izao.
Benefits
Tsara ny manankina fahalalana amin'i Allah momba izay zavatra tsy ananan'ny zanak'olombelona fahalalana.
Amporisihina ny mpampianatra amin'ny fampifantohana sy fanairana mialohan'ny fanazavana; mba ho antony hahazoana kokoa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

