Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amrio Ibn Al-Assi (R.A) niteny fa i Mpaminany (S.A.W) dia mangataka Doan amin'ireto teny ireto : "Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".
Explanation
Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana aho) ary mitady fialofana sy fiarovana (Aminao) aho fa tsy amin'ny olon-kafa, (amin'ny fanjakazakan'ny trosa) sy ny fampahoriana, ny tebiteby ary ny fahoriany, ary mangataka fanampiana Aminao aho amin'ny fandoavana ny trosa.
Ny faharoa : (sy ny fandresen’ny fahavalo) ary ny fampahoriana sy ny fanjakany, ary mangataka Aminao mba hanala ny haratsiany ary hahazo fandresena aminy.
Fahatelo : (sy ny firavoravoan’ny fahavalo) ny hafaliany noho ny fahoriana sy ny loza manjo ny mpino silamo.
Benefits
Tsy misy maharatsy ny mitrosa, fa ny ratsy dia ny tsy mamerina ny trosa, ary izany no atao hoe dibon-trosa.
Tsy maintsy manalavitra ny zavatra iderana sy fanakianana azy ny olona iray.
Fanazavana ny fankahalan’ny tsy mpino ny mpino sy ny firavoravoan’izy ireo raha sendra loza.
Fampisehoan'ny fahavalo ny hafaliany amin’ny fahorian’ny olombelona dia mampitombo ny fahoriana ho azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

