Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".
Explanation
Benefits
Voadidy ny fianteherana amin’I Allah Tsitoha irery ary fangatahana fiarovana Aminy. Satria Izy no niavaka tamin’ny toetran’ny fahalavorarina, dia Izy irery ihany no azo ianteherana, ary ny zavaboary rehetra dia tsy afa-manoatra sy voafatotra amin’ny fahafatesana, ka tsy mendrika ny hianteherana.
Manaraka ny ohatra nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitalahoana amin'ireo teny feno sy lafatra izay maneho ny fahamarinan'ny finoana sy ny fahatokiana tanteraka.
Hoy i Al-Sindi : Ny teniny (Ianao no velona) dia midika hoe : Ianao no tokony hangatahana fiarovana fa tsy olon-kafa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

