Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Sa'adi (R.A) niteny izy : Nisy lehilay arabo tambanivolo iray tonga teo amin’ny Irak’Allah (S.AW) niteny hoe : “Ampianaro zavatra hoteneniko aho.” Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : «Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry” Dia hoy ilay tambanivolo : Ho an’ny tompoko ireo rehetra ireo, ka inona no mba ho ahy? Dia hoy Mpaminany (S.A.W) : “Teneno : Allahommaghfirli Warhamnì wahdinì warzoqnì. Izay midika hoe : Allah ô, mamelà ny heloko, mamindrà fo amiko, tariho aho, ary omeo anjara aho.”
Explanation
Benefits
Tsara ny manonona ny anaran'Allah sy midera Azy mialohan’ny hanao Doan.
Ny tsara ho an'ny olona iray rehefa manao Doan dia manao izany amin'ny tsara indrindra, ireo doan azo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) satria ao anatin'izany no misy ny soa rehetra eto an-tany sy ny any an-koatra, ary manano Doan araka izay tiany izy.
Ny mpanompo iray dia tokony ho mazoto mianatra izay mahasoa azy eto aan-tany sy ny any ankoatra.
Famporisihana mba hikatsaka famelan-keloka sy famindram-po ary anjaram-pivelomana, satria mitambatra ao anatin'izany rehetra izany ny hatsarana rehetra.
Ny fangoraham-pon'ny Mpaminany (S.A.W) no nampianarany ny vahoakany ny amin'ny mahasoa azy ireo.
Ny famindram-po dia voatonona taorian'ny famelan-keloka mba hanadiovana tanteraka, satria ny famelan-keloka dia manarona ny ota sy manala amin'ny Afobe. Ny famindram-po dia mitondra asa soa sy fidirana ao amin'ny Paradisa, ary izany no fandresena lehibe.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

