“Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Irak'Allah (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpino matanjaka dia tsara sy tian’i Allah kokoa noho ny mpino malemy, ary ny rehetra dia tsara avokoa. Miezaha hanao izay hahasoa anao, ary mitadiava fanampiana amin’i Allah fa aza manaiky resy, ary raha misy zavatra manjo anao, dia aza miteny hoe : "Raha mba nanao izao sy izao aho". Fa lazao hoe : “Lahatr’i Allah ary izay sitrapony no ataony.” Eny tokoa fa ny teny “raha” dia manokatra ny asan’i Satana".
Explanation
Benefits
Tsara ny matanjaka amin'ny asa; Satria betsaka ny tombony azo aminy izay tsy azo amin'ny fahalemena.
Tokony hibanjina izay mahasoa azy ny olona iray, ary hiala amin’izay tsy mahasoa azy.
Ny mpino dia tsy maintsy mangataka ny fanampian’i Allah amin’ny raharahany rehetra, fa tsy miantehitra amin’ny tenany.
Manaporofo ny fisian'ny lahatra sy ny anjara, fa izany akory tsy manakana ny fampiasana fomba rehetra sy ny fiezahana hitady ny tsara.
Voarara ny miteny hoe “raha” noho ny fahatezerana tamin'ny fahatongan'ny loza, ary voarara ny manohitra ny didy sy ny anjara nataon’I Allah Tsitoha.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

