Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".
Books saved in this browser.
Loading favorites…
Tap the heart on any book card to save it here.
Search and read verified Prophetic hadeeth translations, explanations, benefits, categories and source attribution. Page 2.
Smart instant results tolerate minor spelling mistakes, with every filter in one place.
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".
Tatitra azo avy tamin'i Abi Zarry (R.A) niteny : Niteny tamiko i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao."
Tatitra azo avy tamin'i Abi Houraira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".
Tatitra azo avy tamin'i Abi Mas’ond (R.A) niteny manao hoe : Nisy lehilahy tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy manana fitoavam-pitaterana aho ka mba ento, hoy Izy : Tsy manana izany aho, ary nisy lehilahy iray niteny hoe : Ry Irakan'Allah ô ! Ambarako a…
Tatitra azo avy tamin'i Abou Darda (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo…
Tatitra azo avy tamin’i Jarir bin Abdillah Al-Qusri (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) niteny : Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontanian…
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Oumar (R.A) niteny : Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masso'di (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra…
Tatitra azo avy tamin'i Bou Darda'i (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.
Tatitra azo avy tamin'i Saad Ibn Abi Waquas (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".
Follow any language without creating an account.

