“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.
Explanation
Ny voalohany dia : Ny Teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’i Tompo Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny Olona raha tsy manao izany Izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy Azy, ary hiaro ny lelany mba tsy hanao ireo zava-mamoampady.
Faha-roa : Ny Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy Aminy fa tsy manisy ratsy Azy.
Faha-telo : Ny Manaja ny vahiny tonga mamangy Anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.
Benefits
Fampitandremana amin'ny voka-dratsy ateraka avy amin'ny asany lela.
Ny fivavahan'ny Silamo dia fivavahan'ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana.
Anisan’ny sampan’ny Finoana sy ny fahalalam-pomba mendri-piderana ireo toetra ireo.
Ny firesahana diso tafahoatra loatra dia mety hitarika amin’ny fanaovana zavatra ratsy matsiravina tsy tiana na zavatra voarara, ary ny tsy fitenenana afa-tsy ny amin’ny zavatra tsara no tena azo antoka indrindra.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

