”
#5792HadeethEnc[Tsara]
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
”
#5796HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Tsy misy zavatra nidiran'ny hatsarampanahy sy ny fahatsorana afa-tsy hoe nankatsarainy, ary tsy misy zavatra nialany afa-tsy hoe simba avokoa".
”
#5799HadeethEnc[Marina miaraka amin'ny porofo hafa]
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".
”
#5802HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Jabir (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Anisan'ireo tiako indrindra aminareo ary akaiky ahy amin'ny andro farany dia ireny olona izay hita fa manana toetra tsara sy fitondra-tena mendrika indrindra, fa anisan'ireo olona halako indr…
”
#5803HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) niteny : Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy maloto fitondran-tena ary tsy nanao vetaveta fa matetika milaza izy hoe : "Ny mendrika indrindra aminareo dia ireo izay manana fitondran-tena tsara indrindra."
”
#5866HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
”
#8289HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
”
#10101HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy amin'i Abdillahi bin A'mro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia izay mampilamina ny mpino silamo namany amin'ny lelany sy ny tanany, ary ny mpifindra monina dia izay nisitaka ireo zavatra noraran'Allah."
”
#10974HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abo Abdallah Al-Jadali niteny hoe : Nanontany an'i Aisha, renin'ny mpino silamo aho, momba ny toetran'ny irak'Allah (S.A.W), dia hoy izy namaly : Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa…
”
#65869HadeethEnc[Mari-pototra]
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Massod (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny mpino silamo dia tsy mpanindrona be, mpanozona be, mpanao vetaveta be, na mpiteny ratsy."
”
#66233HadeethEnc[Tsara]
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Nirahina aho mba hameno ny fitondran-tena tsara.”
”
#66520HadeethEnc[Mari-pototra]
Niteny Abo Hamizah, Anas ibn Maaliky (R.A), fa i mpanampiny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A), niteny fa i Mpaminany (S.W.A) ny teny ka nanao hoe : "Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."