Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Aisha (R.D) fa hoe : Misy Lehilahy iray nipetraka teo anatrehan'ny Mpaminany (S.W,A) ary Niteny Taminy ny hoe : O ! Ry iraka mahafatokin'i Tompo Allah, manana andevo roa Aho, mandainga Amiko, ary mamitaka Ahy, no sady tsy manaja Ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo Aho sy mikapoka azy ireo, ahoana ny toerana misy Ahy ?. Namaly Azy i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataon'izy ireo ary ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo raha toa ka mifandanja amin'ny fahadisoan'izy ireo ny sazy nataonao tamin'izy ireo dia efa ampy izany tsy misy tombony ho Anao na koa hahavoa Anao, fa raha latsakan'izay nataondreo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay Nataonao dia ho tsaraina Ianareo ka hefainao ny mihoatra amin'izany ,". Nisitaka ilay Lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.W.A) : Ianao ve tsy namaky ilay Teniny masinan'i Tompo Allah { Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny Andro farany tsy hisy Olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza }, ny andininy Soratra masina hoe ". Niteny ilay Olona hoe O ! Ry Irakan' i Tompo Allah, tsy hitako izay tsara ho Ahy na ho azy ireo afa-tsy ny misaraka Aminy, mijoro ho vavolombelona Aminao Aho fa avelako izy rehetra.
Explanation
Benefits
Ny valifaty sy famaizana avaly amin'ny mpampahory, raha mitovy na latsaka noho ny habetsahan'ny tsy rariny, dia azo atao, fa raha mihoatra dia voarara.
Famporisihana amin'ny fitondrana tsara ireo mpanampy sy ny marefo.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

