Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Said Al-Khoudriou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : "Aseho amin'ny endrika ondry lahy mana-tandroko ny fahafatseana dia hiantso ny mpiantso ny amin'ny hoe : O Ry vahoakan'ny Paradisa, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, dia hoy Izy hoe : fantatrareo va ity ? Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, Satria ny rehetra dia efa nahita an'izany. Avy eo dia misy miantso hoe : Ry vahoakan'ny Afobe, nitodika avokoa izy ireo ka nijery, ary niteny hoe : fantatrareo va ity ?, Namaly izy ireo hoe : Eny fantatray io dia ny fahafatesana, ary ny rehetra dia efa nahita an'izany avokoa. Avy eo dia hovonoina Izy dia holazaina ny hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa hitoetra ao mandrakizay Ianareo ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, Ry vahoakan'ny Afobe hitoetra ao mandrakizay Ianareo ka tsy misy intsony ny fahafatesana. Avy eo Izy namaky ny andininy Soratra masina hoe : { Ampitandremo izy ireo amin'ny fotoan'ny fatiantoka rehefa tapaka ny raharaha rehetra nefa izy ireo dia varina } [Mariam 39], izy ireo dia varina teto an-tany { ary izy ireo dia tsy Mino } [Mariam 39]".
Explanation
Benefits
Fampitandremana mafy amin'ny fasahiranana izay handalo amin'ny Andro farany ary izany dia andron'ny fatiantoka sy fanenenana.
Fanazavana momba fitohizan'ny fifaliana ho an'ireo vahoakan'ny Paradisa, ary fitohizan'ny alahelon'ireo vahoakan'ny Afobe.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

