“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.
Explanation
Benefits
Ny loza ihany dia mamafa ny fahotana raha toa ka mpino ilay olona, ka raha manam-paharetana ny mpanompo iray ka tsy tezitra dia hahazo valisoa.
Famporosiana ny amin'ny faharetana amin’ny zavatra rehetra, amin’izay tiany sy halany, dia tokony hanam-paharetana izy mba hanatanterahany izay nandidian’i Allah, ary tokony hanam-paharetana mba hialany amin’izay voararan’I Allah, manantena ny valisoa avy amin’I Allah ary matahotra ny famaizany.
Ny teniny hoe : “Amin’ny mpino lahy sy vavy”, ny teny "mpino vavy" fanampiny dia manaporofo ny fanamafisana bebe kokoa ho an'ny vehivavy, Raha tsy izany, raha nilaza fotsiny izy hoe : “amin'ny mpino”, dia ho anisan’izany ny vehivavy; Satria tsy voatokana ho an’ny lehilahy ihany izany, ka raha manjo ny vehivavy ny loza, dia ampanantenaina valisoa mitovy amin’izany koa izy amin’ny alàlan’ny famafana ny fahotana sy ny fahadisoana.
Anisan'ny manamora ny hotsika manjo ny mpanompo isaky ny mihetsika, dia ny hatsarana azony vokatry ny loza nahazo azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

