“Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Omar (R.A) niteny izy : nandray ny soroko ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : “Meteza ianao eto an-tany ho toy ny mpivahiny na mpadalo fotsiny" Ary i Ibn Omar dia niteny hoe : Raha mahatratra ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary raha mahatratra ny maraina dia aza miandry ny hariva, ary araraoty amin'ny fahasalamanao ny aretinao, ary araraoty ny fahavelomanao ho amin'ny fahafatesanao.
Explanation
Nanaraka izany torohevitra izany i Ibn Omar ary niteny hoe : Raha mifoha maraina ianao dia aza miandry ny hariva, ary rehefa tratra amin'ny hariva ianao dia aza miandry ny maraina, ary ataovy ho isan'ny olon'ny fasana ny tenanao, satria ny fiainana dia tsy hialan'ny fahasalamana sy aretina ; Koa afaingano ny androm-pahasalamanao amin'ny fankatoavana mialohan'ny aretinao. Araraoty ny asa soa amin’ny fahasalamana alohan’ny hanakanan’ny aretina anao tsy hanao izany, ary araraoty ny fiainanao eto an-tany, ary angony ao izay hahasoa anao aorian’ny fahafatesanao.
Benefits
Fanombohana amin’ny torohevitra sy fitarihana ho an’izay tsy nangataka izany.
Fampianarana tsara nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny alàlan’ny fanomezana ohatra maharesy lahatra, amin'ny teniny hoe : “Aoka ianao ho toy ny mpivahiny na mpandalo fotsiny eto an-tany”.
Tsy mitovy ny dian'ny olona mankany amin'ny fiainana any ankoatra. Ny mpandalo dia manana toerana ambony amin'ny tsy firaharahina ny eto an-tany noho ny mpivahiny.
Manazava ny hafohin'ny fanantenana sy ny fiomanana amin'ny fahafatesana.
Ny hadith dia tsy milaza ny fialana amin'ny fitadiavana ny anjaram-pivelomana sy fandrarana ny fahafinaretana eto an-tany; Saingy manondro ny faniriana amin'ny tsy fifantohana betsaka sy hampihena izany.
Ny fihazakazahana hanao asa soa alohan'ny tsy hahavitana manao azy, ary mialohany ahatongavan'ny aretina na fahafatesana hisakana amin'izany.
Ny fahamendrehan'i Abdollah bin Omar (R.A) satria nisy fiantraikany taminy ny anatra avy tamin'ilay Irak'Allah (S.A.W).
Ny tanindrazan'ny mpino dia Paradisa ka vahiny izy eto an-tany ary mpandeha mankany amin'ny fiainana any ankoatra, noho izany dia tsy tokony miraikitra amin'ny tanàna tsy fantany ny fony, fa ny fony dia miraikitra amin'ny tanindrazany, ary ny fijanonany eto amin’ity tany ity dia mba hanatanterahany ny filany sy ny fiomanany hody any an-tanindrazany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

