“Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo,
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo va momba ny mesia sandoka izay tsy nisy mpaminany tsy nilaza tamin’ny vahoakany? izy io dia toka-maso, ary miaraka aminy ny paradisa sy ny afo, Ka izay nolazainy fa paradisa no afo, ary mampitandrina anareo aho tahaka ny nampitandreman’i Noah ny vahoakany”.
Explanation
Izy io dia toka-maso.
Ary Allah Tsitoha dia nandefa miaraka aminy ny Paradisa sy ny Afobe, araka ny fahitan’ny maso.
Fa ny paradisany dia afobe, ary ny afobeny dia paradisa, ka izay mankato azy dia ho tafiditra ao amin’io paradisa io araka ny fahitan’ny olona azy, fa kosa afo miredareda izany, ary izay tsy mankatò azy dia ampidiriny any amin’ny afobe araka ny fahitan’ny olona azy, saingy paradisa mahafinaritra kosa izany. Avy eo dia nampitandrina antsika ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fakam-panahy ataony, tahaka ny nampitandreman’i Noah ny vahoakany momba izany.
Benefits
Ny fanavotana amin’ny fitsapan’ny mesia sandoka dia mitoetra amin’ny finoana marina, miverina amin’I Allah Ilay Tsitoha, mitady fiarovana amin’I Allah eo amin’ny tashahod farany, ary manao tsianjery andininy folo manomboka amin’ny fiandohan’ny Sourat Al-Kahf.
Ny fiahiahian'ny Mpaminany (S.A.W) fatratra ny vahoakany, raha nanazava tamin'ireo mpino silamo ny toetran'ny esia sandoka izay tsy nisy nampatsiahy ireo mpaminany teo alohany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

