“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Zaynab Binti Djahsh (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”
Explanation
Benefits
Famporisihana amin'ny fandavana ny fahotana sy hisoroka izany mba tsy hitranga.
Ny fandringanana ankapobeny dia mitranga noho ny hamaroan'ny ota, sy ny fiparitahany, ary ny tsy fisian'ny fandrarana azy, na dia maro aza ny olo-mendrika.
Mahavoa ny olona rehetra ny loza, na ny mpanao tsara na ny mpanao ratsy, saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo araka ny fikasany.
Nasongadiny manokana ny Arabo amin'ny teniny hoe : “Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manatona”; Satria izy ireo no maro an'isa tamin'ireo niditra ny finoana silamo tamin'ny fotoana nitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

