Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Explanation
Ny voalohany : Ny fanomezana sakafo betsaka ny mahantra, tafiditra ao anatin'izany ny fanampiana sy fanomezana ary fampiantranoana sy fanasam-be, ary tena tsara amin'ny fampisakafona dia amin’ny fotoan’ny mosary sy ny fiakaran'ny vidin'entana.
Ny faharoa : Fiarahabana ny mpino silamo rehetra, na fantatrao na tsia.
Benefits
Ny fiarahabana sy ny fampisakafoanana dia anisan'ny asa tsara indrindra amin'ny finoana silamo ; Noho ny hatsarany sy ny filan’ny olona azy amin’ny fotoana rehetra.
Mitambatra amin'io karazany roa io ny fanasoavana amin'ny teny sy fihetsika, ary izany no fanasoavana feno indrindra.
Io karazany iray io dia mifandraika eo amin'ny fifandraisan'ny samy mpino silamo , ary misy karazany hafa ifandraisan'ny mpanompo amin'ny Tompony.
Ny fanombohana ny fiarahabana dia natokana ho amin'ny samy silamo, ka tsy mety ny miarahaba aloha ny tsy mpino.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

