Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny : Nisy lehilahy iray tonga teo amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niteny hoe : “Assalam Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana" avy eo dia nipetraka izy, ary namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : “Folo” Dia tonga ny iray hafa ka niteny hoe : “Assalam Alaikom Warahamatollahi - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon’I Allah, avy eo dia nipetraka, dia namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : "Roapolo". Ary tonga ny lehilahy fahatelo dia niteny hoe : "Assalam Alaikom Warahmatollahi Wabarakatoh - Fiadanana anie ho aminao sy famindram-pon'I Allah ary ny fahasoavany". Dia namaly azy i Mpaminany (S.A.W) ka niteny manao hoe : "Telopolo".
Explanation
Benefits
Fitomboan'ny valisoa amin'ny fampitomboana ny teny fiarahabana
Ny fomba feno indrindra hanaovana ny fiarahabana dia : (Assalam Alaikom Warahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny famindram-pon'I Allah ary ny fitahiany), ary ny endrika tsara indrindra ho valin-teny dia toy izao : (Wa anlaikom Salam Wa rahamatollahi Wabarakatoh - Ho aminao anie ny fiadanana sy ny ny famindram-pon'Allah ary ny fitahiany).
Ny haavon'ny fiarahabana sy ny famaliana dia samy hafa, ary ny valisoa dia hafa.
Mampianatra ny olona ny tsara sy manentana azy ireo mba hanatratra ny tsara indrindra.
Hoy i Ibn Hajar : Raha mitombo (sy ny famindram-pon’Allah) ny voalohany dia tsaratsara ny manampy (sy ny fitahiany), koa raha mitombo izy (sy ny fitahiany), azo atao ve ny mampitombo ny fiverenana? Toy izany koa, raha manampy ny “sy ny tso-dranony” ilay vao manomboka, dia azo atao ve ny manao izany, hoy i Malik ao amin'ny Al-Mowatta' tamin'ny tatitr'i Ibn Abbas (R.A) mifarana amin’ny fitahiana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

