Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo."
Explanation
Benefits
Azo atao ny mamaly ny fiarahabana amin’izy ireo raha manomboka amin’ny fiarahabana izy ireo amin’ny filazana hoe : Ary ho anareo koa.
Tsy azo atao ny manao fanahy iniana hanisy ratsy ny tsy mpino amin'ny alàlan'ny finiavan'ny silamo tsy amin'ny antony. Manery azy handeha amin’ny làlana tery; fa raha tery na feno olona ny làlana dia manan-jo kokoa amin’izany ny silamo, ary tokony hiafy amin’izany ny tsy mpino.
Maneho ny hambom-pon'ny silamo sy ny fahakelezan'ny hafa, saingy tsy mampiasa ny tsy rariny na fahavetavetana amin'ny teny.
Ny fameperana ny tsy mpino noho ny tsy finoany an'I Allah Tsitoha dia mety ho antony hivadihany ho mpino silamo. Ka ho voavonjy amin’ny Helo izy ireo, raha izany no mitarika azy ireo hahafantatra ny antony.
Tsy maninona raha ny mpino silamo ny miteny amin'ny tsy mpino hoe : "Manao ahoana ianao, manao ahoana ianao izao hariva izao?" Ary toy izany koa raha ilaina; satria mifototra amin’ny fandriam_pahalemana ny fandrarana.
Hoy i Al-Tibi : Ny zavatra nofidiana dia tsy fanombohana amin'ny fiarahabana, ary raha miarahaba olona tsy fantany izy ka miseho ho tsy silamo na mpanao forona, dia hoy izy : haveriny ilay firahabany ho fanambaniana azy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

