“Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”
Explanation
Benefits
Ny ezakan'ny Mpaminany (S.A.W) mafy amin'ny fanaparitahana ny fiarahabana sy ny fanitarana betsaka ny amin'izany. Satria mitondra firaiketam-po sy fifankahazoana eo amin'ny samy silamo izany.
Ny fiarahabana dia ny fitenena hoe : (Assalamo Alaikom - Ho aminao anie ny fiadanana) na (Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fitahiana avy amin’I Allah), ankoatry ny fifandraisan-tanana izay miseho amin’ny fihaonana voalohany.
Ny teny fiarahabana dia fangataham-pitahiana, ary ilain'ny mpino ny hisian'ny fifangataham-pitahiana eo amin'ny samy izy ireo, eny fa na dia miverimberina aza izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

