“Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy andro izay hifohazan’ny mpanompo amin’ny maraina, afa-tsy hoe misy anjely roa midina ety an-tany, ka ny anankiray amin’izy ireo miteny hoe : Allah ô, omeo fahasambarana izay manome, ary ny anankiray kosa miteny hoe : Allah ô, omeo fahorina izay mahihitra".
Explanation
Allah ô, omeo fahasambarana izay mandany vola amin’ny fankatoavana, amin’ny ankohonany, amin’ny vahiny, ary amin’ny fanomezana an-tsitrapo, ary omeo soa amin’izay laniny izy, ary tahio izy.
Hoy kosa ny iray : Allah ô, Omeo fahorina izay mahihitra ary aringano ny hareny izay nohazoniny tamin’izay mendrika azy.
Benefits
Vavaky ny anjely ho an’ireo mpino marina mpanao asa soa ka mandany amin’ny hatsaram-panahy sy fitahiana, ary vavak'ireo anjely dia ho voavaly.
Famporisihana ny fandaniana amin'ny adidy sy an-tsitrapo; toy ny fandaniana amin’ny fianakaviana, ny fitazonana ny rohim-pihavanana, ary ny varavaran’ny hatsarana.
Fanazavana ny hasin’ny fandaniana amin’ny asa soa, ary ny fiafaran’izany dia ny famalian’I Allah azy, dia hoy Allah ilay Tsitoha manao hoe : “Ary na inona na inona laninareo dia honerany, ary Izy no Mpanome anjaram_pivelomana tsara indrindra” [Saba: 39].
Ity vavaka hatao amin'ny olona mahihitra ity, dia amin'ny fandaniana tsy maintsy atao ihany, fa ny fandaniana an-tsitrapo kosa dia tsy tafiditra ao; Satria tsy mendrika izany vavaka izany ny tompony.
Fandrarana ny fahirana sy tsy famoahana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

