Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo zarri (R.A) : Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".
Explanation
Benefits
Misy karazany maro ny asa soa, ary tafiditra ao anatin'izany ny asa rehetra ataon'ny silamo amin'ny finiavana sy fikasana tsara.
Ny fahamoran'ny finoana silamo, ka ny mpino silamo rehetra dia mahita zavatra atao mba hankato an'I Allah.
Hoy i Al-Nawawi : Amin'ity Hadith ity dia misy Porofo fa ny zavatra azo atao dia lasa fankatoavana amin’ny finiavana amin-kitsim-po, raha mikasa ny hanatanteraka ny zon’ny vadiny sy hifanerasera amin’ny vadiny amin’ny fomba ara-drariny izay nandidian’I Allah Tsitoha azy, na mitady zaza hendry, na ny fitazonana ny fahadiovany na ny fitazonana ny fahadiovan’ny vadiny ka manakana azy roa tsy hijery zavatra voarara, na mieritreritra an’izany, na aingam-panahy avy amin’izany, na fikasana tsara hafa.
Fametrahana ohatra sy fanoharana; Mba hanazavana kokoa tamin'ny mpihaino.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

