“Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino.
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Masondi (R.A) niteny : izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : “Hotahin’I Allah anie ny olona nandre zavatra avy taminay ka nampita izany araka ny nandrenesany azy, ka mety ny mpitatitra no mahay kokoa noho ny mpihaino. "
Explanation
Benefits
Manazava ny fahasoavan'ny olon'ny hadith, sy ny voninahitra amin'ny fikatsahana izany.
Fahasoavan'ny manam-pahaizana, izy ireo dia olona mahay maka lesona sy mahatakatra lavitra.
Ny voninahitr'ireo mpanaradia (R.A), dia izy ireo no nandre ny hadith-n’ny irak’Allah, ka nampita izany tamintsika.
Hoy i Al-Manawi : Nambarany mazava tsara fa tsy fepetran'ny mpitantara ny mahay hadith, fa ny fitadidiana no fepetrany, fa ho an'ny manam_pahaizana kosa ny misaintsaina sy fandinihana.
Hoy I Ibn Oyaynah : Tsy misy olona mitady hadith afa-tsy ny famirapiratan'io hadith io eo amin'ny tarehiny.
Araka ny voalazan'ireo manam-pahaizan'ny hadith dia misy karazany roa ny fitadidiana : fitadidiana ny fo sy ny tratra ary ny fitadidiana boky sy andalana, ary samy tafiditra ao anatin'ny fitalahoana ao amin'ny hadith.
Tsy mitovy ny fahalalan'ny olona, mety misy olona mahay kokoa noho ny mpihaino, ary mety misy olona mitondra fahatakarana izay tsy mpahay lalàna.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

