Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdor-Rahman bin abi Laila niteny hoe : Nifanena tamiko i Ka'b bin ojrah dia niteny manao hoe : Tsy homeko fanomezana va ianao? Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".
Explanation
Benefits
Voadidy tsy maintsy mivavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W) isika rehefa amin'ny tasahhod farany amin'ny Soalat.
Nampianatra ny mpanara-diany amin'ny fiarahabana sy hivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W).
Io teny io no teny feno indrindra handefasana vavaka amin'ny Mpaminany (S.A.W).
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

