Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny manao hoe : Tsy nahita an'ny irak'Allah teo am-pandrina aho tamin'ny alina, Dia nokasihiko izy ary ny tànako dia nahazo teo amin’ny faladian-tongony raha mbola tao amin’ny toeram-pivavahana izy, ary nijoro tsara ireo, dia hoy izy : «Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho".
Explanation
(Mitady fialofana) sy mifona (amin'ny fifaliana manoloana ny fahatezeranao) amiko na amin'ny vahoakako, (ary) mitady fialofana aho (amin'ny famelanao) sy ny famelan-kelokao be dia be (manoloana ny famaizanao), (Ary mangataka fiarovana Aminao aho) ary amin’ny hatsaran'ny toetranao sy ny voninahitrao, satria tsy misy afaka hangataham-pamonjena afa-tsy Ianao ihany. Ka tsy misy fialofana na fiaravona amin’I Allah afa-tsy ao Aminy ihany. (Tsy mahavoaisa ny fiderana Anao aho) Tsy zakako na tsy tratrako ny halavany sy ny isany noho ny tsy fahaizako manisa ny fahasoavanao sy ny hatsaram-panahinao araka izay mendrika anao, na dia miezaka manao izany aza aho. (Toy ny nideranao ny tenanao) Ianao no nidera tena tamin'ny fiderana mendrika Anao, ka iza no afaka manao ny rariny amin'ny fiderana Anao ?!
Benefits
Hoy i Mirik : Ary ao amin'ny iray amin'ireo fitantaran'i Al-Nasa'i : Niteny ity fitalahoana ity izy rehefa nahavita ny fivavahany ka nandeha natory.
Tsaratsara ny midera an’I Allah amin’ny toetrany sy miantso Azy amin’ny anarany voarakitra ao amin’ny CORAN sy ny Sonnah.
Ao amin'izany dia misy fanomezam-boninahitra ny Mpahary amin’ny fiondrehana sy ny fiankohofana.
Azo atao ny mitady fialofana amin’ny toetran’I Allah, toy ny azo atao koa ny mitady fialofana amin’ny tenany - Voninahitra ho Azy.
Hoy i Al-Khattabi : Misy dikany tsara amin’ity lahateny ity, dia ny hoe : Nitady fialofana tamin’I Allah izy mba hiaro azy amin’ny fifaliany manoloana ny fahatezerany, ary amin’ny famelana Azy amin’ny saziny, ary ny fahafaham-po sy ny tsy fankasitrahany dia roa mifanohitra, toy izany ny famelan-keloka sy ny tamberin’andraikitra amin’ny famaizana, ka rehefa nilaza izay tsy misy mifanohitra amin’izany izy, dia Allah Tsitoha, dia tsy nisy hafa nialokalofany taminy, ary ny dikan’izany dia ny hoe : mitady famelan-keloka noho ny tsy fahatanterahany adidy mitsaoka Azy sy midera Azy. Ary ny teniny hoe: Tsy voaisako ny fiderana Anao, izany hoe, tsy zakako na tratrako izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

