Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : "Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".
Explanation
Ny voalohany : Amin'ny sazy ao am-pasana.
Ny faharoa: amin’ny sazy ao amin'ny Afobe, ary izany dia amin’ny andro farany.
Ny fahatelo: Amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainana, amin’ny filana eto an-tany izay voarara sy ny zavatra mampisalasala izay manary eo aminy, ary amin’ny fakam-panahin’ny fahafatesana, izany hoe amin’ny ora hahafatesana, amin’ny fialana amin’ny finoana silamo na ny Sonnah, na amin’ny fakam-panahin’ny fasana, toy ny fanontanian'ireo anjely roa.
Ny faha efatra: Ny fakam-panahy ataon’ny Mesia sandoka izay hivoaka amin’ny fotoana farany, hotsapain’Allah ireo mpanompony amin'ny alalany, Nitononony manokana izy io noho ny haleben'ny fitsapana hoentiny sy ny famerezana hoentiny.
Benefits
Voaporofo ny fanasazina ao am-pasana ary tena misy tokoa izany.
Ny loza ateraky ny fitsapana sy ny maha zava-dehibe ny fitadiavana ny fanampian’Allah ary ny Doan mba ho avotra amin’izany.
Voporofo ny hipoiran’ny mesia sandoka sy ny halehiben’ny fitsapana entiny.
Tsara ny manao izany Doan izany aorian'ny tashahhod farany.
Tsara ny manao Doan rehefa avy nanao asa soa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

