Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : Izay mampitony fahoriana iray amin'ny olona mpino, amin'ny fiainana eto an-tany, Allah dia hampitony azy amin'ny fahorian'ny andro farany. Izay manamora raharaha amin'ny olona sahirana, dia hamorain' I Allah ny raharahany eto an-tany sy any ankoatra. Izay manafina ny henatry ny mpino silamo iray, dia hafenin' I Allah ny henatrany, eto an-tany sy any ankoatra. Allah dia manampy hatrany ny mpanompo raha manampy ny rahalahiny izy. Izay mizotra amin'ny làlan'ny fianarana mba hikatsaka fahalalana dia hamorain'i I Allah ho azy ny làlana mitondra any amin'ny Paradisa. Ary tsy misy andian'olona, mivorivory ao anatin'ny trano iray amin'ireo tranon' I Allah, mamaky ny Bokin' I Allah, ary mifampianatra izany eo amin'ny samy izy ireo, afa-tsy hoe midina amin'izy ireo ny fahatoniana, mandrakotra azy ireo ny indrafo, manodidina azy ireo ny Anjely, ary miresaka azy ireo Allah, amin'ireo (Anjely) any Aminy. Izay latsaka afara noho ny asany, dia tsy aroso aloha noho ny firazanany.
Explanation
Benefits
Famporisihana hanamora amin'ny olona tra-pahasahiranana.
Famporisihana hanampy ny mpanompo silamo, ary Allah ilay Tsitoha dia manampy ny mpanampy araka ny fanampiany ny rahalahiny.
Anisan'ny fanafenana kileman'ny mpino silamo : Ny tsy fanarahana sy fitsikilovana ny fahadisoany, Notantaraina tamin'ny alàlan'ireo olona teo aloha fa hoe : Nifanena tamin'ny olona tsy nisy kilema aho, ka nilaza ny fahadisoan'ny hafa izy ireo, ka nilaza ny fahadisoany ihany koa ny olona. Nifanena tamin’ny olona nanana kilema aho, ka tsy nanonona ny fahadisoan’ny hafa izy, ka hadinon'ny hafa ny fahadisoany.
Anisan’ny fepetra takiana amin’ny fanafenana ny kileman'ny olona ny tsy fanaovana ny ratsy ary tsy fanovana izany, fa kosa ovaina sy afenina, ary izany dia mihatra amin’izay tsy malaza amin’ny fanimbana sy ny fikirizana amin’ny fanjakazakana izany. Fa raha olona fantatra amin'izany kosa dia tsaratsara tsy afenina momba azy, fa tokony ampitaina any amin'ny olona manana fahefana aminy raha tsy atahorana hanimba ny hoaviny; satria ny fanafenana ny asa ratsiny dia mitondra azy makany amin'ny fanimbana, Mandrisika azy hanisy ratsy olona izany, ary mandrisika ny olona ratsy fanahy sy mafy loha hafa hanao toy izany.
Ny famporisihana fikatsahana fahalalana, famakiana sy fandalinana ny KORAN.
Hoy i Al-Nawawi : Porofon'ny hasarobidin'ny fiarahana mivorivory amin'ny famakiana ny boky masina KORAN ao amin'ny moske izany... Ary ny moske dia ampiarahina amin'ny fahazoana izany hatsarana izany amin'ny alàlan'ny fivoriana ao amin'ny sekoly, fifamatorana sy ny toy izany raha sitrak'I Allah.
Ny valisoa azon'ny olona dia mifototra amin'ny asa fa tsy amin'ny firazanana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

