Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo,
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Najihi Al-Irbadhi ibn Sariyah (R.A) nilaza hoe : Nanao toriteny ny Irakan'i Tompo Allah (S.A.W) izay nampihorohoro ny fonay sy nampitomany ny masonay. Ka hoy izahay Taminy hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah Ô ! Toy ny hoe toriteny fanaovam-beloma. Ka dia mba toroy hevitra izahay, dia niteny Izy namaly hoe : " Manoro hevitra Anareo Aho ny mba hatahotra an'i Tompo Allah, ary hihaino sy hendry ary hankatò Azy, ary raha misy andevo voatendry hifehy sy hibaiko ary hitondra Anareo dia ankatoavinareo izany. Fa izay mbola ho velona sy hahazo fivelomana lava Aminareo avy ao aoriako dia hahita ny olana sy disadisa ary tsy fitovian-kevitra be dia be. Koa arahonareo ihany ny Sonnah-ko sy ny Sonnahn'ireo Kalifa Mpitari-dalana Anareo, ary mifikira mafy amin'izany Ianareo ara-drariny, ary tano sy tazominareo mafy izany, ary mitandrema amin’ny zava-baovao rehetra izay noforonina, fa izany dia fahaverezana”.
Explanation
Benefits
Ny firaharahana momba ny fananarana sy ny fanalefahana ny fo.
Ny baiko mandidy ny fanarahana ireo mpitondra marina sy mahitsy, efatra taoriany dia i Abo Bakr, Omar, Othman ary Ali, ho faly amin'izy ireo anie Allah.
Fandrarana amin'ny famoronana eo amin'ny lafiny finoana, ary ny forona rehetra dia fahaverezana.
Ny fihainoana sy ny fankatoavana an'ireo mpitondra raharahan'ny mpino silamo raha tsy misy fahotana.
Ny maha zava-dehibe ny fatahorana an'Allah Ilay Tsitoha amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra.
Tena zava-misy amin’ity vahoaka ity ny tsy fitovian-kevitra, ary rehefa mitranga izany dia ilaina ny miverina amin’ny Sonan’ny irak’Allah sy ireo Kalifa mpanaraka ny fahamarinana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

