Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Omar (R.A) : Tonga teo amin’ny Vato Mainty izy ary nanoroka izany ary niteny hoe : Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively.
Explanation
Benefits
Ny tanjona amin'ny fanorohana ny Vato Mainty dia ny fanarahana ny fomba amam-panaon'ny irak'Allah (S.A.W).
Hoy i Al-Nawawi : Midika izany fa tsy manam-pahefana ny hanimba na hanasoa izy, ary vato noforonina tahaka ny zavaboary hafa izay tsy manisy ratsy na tsy mahasoa. Ary naparitan'i Omar izany tamin'io vanim-potoana io; Ho raisin'ny firenena vavolombelona, ary hiarovan'ireo mpanao Hajj avy amin'ny vazantany samihafa io vanim-potoana io.
Voaporofo mazava tsara ny fanompoana; Izay nasain'I Allah sy ny irany ihany no azo atao.
Raha marina ny fanompoam-pivavahana dia harahina na dia tsy fantatra aza ny fahendreny. Satria ny fanarahan-dalàna sy ny fankatoavan’ny olona amin’ny fanatanterahana izany no anisan’ny fahendrena fonosiny.
Voarara ny manoroka izay tsy voalazan'ny lalàna Islamika horohana ho endrika fanompoam-pivavahana, toy ny vato sy ny zavatra hafa.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

