Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Al-Irbadhi Bin Sariya (R.A) niteny : Nitsangana teo aminay ilay Irak'i Allah indray andro, ka nampatsiahy tamin’ny fampatsiahivana izay nampatahotra ny fo, sy nahalatsa-dranomaso. Ka nisy ny niteny taminy manao hoe : Ry Irak’Allah! Toa fampatsiavana maka endrika ho fanomezam-beloma izy izany ka hanaro izahay, dia niteny izy hoe : “Aoka ianareo hataotra an’I Allah, sy hiaino sy hankatoa, eny fa na dia andevo mainty oditra aza (mitondra anareo), ho hitanareo ao aoriako ny disadisa henjana, ka fikironareo mafy ny fomba amam-panoako, sy ny an’ireo mpandimby ahy, mpitarika, marina, kaikero amin'ny vanginareo (fikiro mafy, aza avela), Ary mitandrema amin'ny zava-baovao noforonina, fa ny zava-baovao rehetra dia fahaverezana.
Explanation
Benefits
Ny firaharahana momba ny fananarana sy ny fanalefahana ny fo.
Ny baiko mandidy ny fanarahana ireo mpitondra marina sy mahitsy, efatra taoriany dia i Abo Bakr, Omar, Othman ary Ali, ho faly amin'izy ireo anie Allah.
Fandrarana amin'ny famoronana eo amin'ny lafiny finoana, ary ny forona rehetra dia fahaverezana.
Ny fihainoana sy ny fankatoavana an'ireo mpitondra raharahan'ny mpino silamo raha tsy misy fahotana.
Ny maha zava-dehibe ny fatahorana an'Allah Ilay Tsitoha amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toe-javatra rehetra.
Tena zava-misy amin’ity vahoaka ity ny tsy fitovian-kevitra, ary rehefa mitranga izany dia ilaina ny miverina amin’ny Sonan’ny irak’Allah sy ireo Kalifa mpanaraka ny fahamarinana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

