Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdo rahmani Abdullah Ibn Massoud (R.A) niteny hoe : Niteny taminay i Mpaminany (S.W.A) ary Izy ilay marina mahafatoky indrindra : "Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro (Izy dia ranon'aina), avy eo lasa vongan-drà mandritra ny fotoana mitovy amin'izany, avy eo lasa vainga-nofo mandritra ny fotoana mitovy amin'izany ihany koa. Avy eo alefa aminy ny Anjely ka mitsoka ny aina ao Aminy, ary iray hanoratra zavatra efatra: hanoratra ny anjaram-pivelomany, sy ny fe-potoana hiainany, sy ny asany, ary Olon'ny fijaliana ve izy sa Olon'ny fiadanana. Ary Izaho dia mifanta amin'I Tompo Allah, izay tsy misy tompo mendrika ho tompoina marina ankoatra Azy, fa tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Paradisa (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Afobe Izy, dia miditra amin'izany. Ary tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Afobe (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka Azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy, dia miditra amin'izany ".
Explanation
Benefits
Ny finoana ny Anjara sy ny Lahatra
Fihafaran'ny raharaha dia miankina amin'ny lahatra izay nandaharany Tompo Allah Azy sy nandaminana Azy.
Fampitandremana fatratra mba tsy ho voafitaka eo amin'ny sarisarin'asa. Satria ny Asa dia mifototra amin'ny fiafaran'izy ireo ihany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

