“Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay midina avy any an-tendrombohitra ka mamono tena dia ho ao amin’ny afobe, hitoetra ao mandrakizay, ary izay misotro poizina ka mamono tena, dia ho eny an-tànany ny poizina, ho tsapany ao amin’ny afobe izany, ary izay mamono tena amin’ny vy dia ho eny an-tànany ny vy, ka hampidiriny ao an-kibony ao amin’ny afobe mitoetra ao mandrakizay".
Explanation
Benefits
Ny voalazany ao amin'ny Hadith dia ohatra amin'ny karazana famonoana tena, raha tsy izany, dia ny fomba namonoany tena no hanasaziana azy tahaka ny nataony tamin'ny tenany ihany, efa nisy tenin'ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'ny Hadith mari-pototra milaza manao hoe : “Izay manakenda ny tenany dia sempotra any amin’ny Afobe, ary izay manindrona ny tenany dia hanindrona ny tenany any amin’ny helo.
Hoy i Al-Nawawi : Raha ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : (Ho any amin’ny Afobe izy, ary hitoetra ao mandrakizay); dia nolazaina fa : Misy karazany maro, ny iray amin’izany dia adika hoe izay manao izany ho azo atao nefa fantany fa voarara izany, dia tsy mpino izy, ary izany no saziny. Ny faharoa : Ny atao hoe mandrakizay dia ny faharetan’ny fotoana sy ny fipetrahana lava fa tsy ny tena zava-misy maharitra, araka ny voalaza hoe : Haharitra amin’ny fanjakana anie ianao, ary ny fahatelo : Izany no valisoany, fa Allah kosa nampahafantatra fa izay maty tamin'ny finoana Silamo dia tsy hijanona ao amin'ny helo mandrakizay.
Izany dia mifototra amin’ny fitovizan’ny fanasaziana any ankoatra amin’ny heloka atao eto an-tany, ary nalaina tao fa ny heloka ataon’ny olona iray amin’ny tenany dia mitovy amin’ny heloka nataony tamin’ny hafa tamin’ny fahotana. Satria tsy azy mihitsy ny fanahiny, fa an’Allah Tsitoha, ka tsy afaka manao izany amin'izay tiany izy raha tsy efa nomena alàlana hanao izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

