“Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy,
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Mossa Al-Ashario (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ny ohatry ny namana tsara sy ny namana ratsy dia toy ny mpivarotra ranomanitra Misk sy mpanefy vy, ny mpivarotra Misk : na omeny ianao na mividy aminy na maheno fofona manitra fona, fa ny mpanefy vy : na mandoro ny lambanao, na maheno fofona ratsy".
Explanation
Ny karazana voalohany : Ny namana sy sakaiza tsara izay mitarika ho any amin'Allah sy izay ankasitrahany, ary manampy amin’ny fankatoavana. Ny mitovy amin'izany dia mpivarotra Miska izy ka na homeny ianao, na hividy aminy ianao, na hahita hanitra mahafinaritra avy aminy ianao.
Ny karazany faharoa : Namana sy sakaiza ratsy; Izay manakana ny olona tsy handeha amin’ny làlan’Allah, ary manampy amin’ny fanaovan-dratsy, ka voaheloka noho ny fiarahana sy ny fipetrahana amin’ny olona toa azy ianao. Ny mitovy amin'izany dia mpanefy mitsoka ny afony; Na handoro ny akanjonao amin'ny pitik'afo manidina izy, na haheno fofona ratsy eo akaikiny ianao.
Benefits
Mamporisika sy manentana ny olona hiaraka amin’ny olona mpankatò sy manao ny marina, ary manalavitra ny olona manao fanimbana sy ireo manana fitondran-tena ratsy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

