Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Obada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.
Explanation
Benefits
Famporisihana hangataka amin’I Allah ny Al-Firdaws ilay avo indrindra.
Al-Firdaws no paradisa avo indrindra sy tsara indrindra.
Ny mpino silamo dia tokony hanana hetaheta ambony ary hiezaka sy hikatsaka ny toerana ambony sy ny tsara indrindra amin'I Allah Tsitoha.
Ny renirano efatra amin'ny Paradisa dia ny reniranon'ny rano, ronono, divay ary tantely voatonona ao amin'ny CORAN ao amin'ny tenin'ny Tsitoha manao hoe : {Ny endriky ny Paradisa izay ampanantenaina ny olo-marina dia hisy : renirano tsy miandrona ary reniranon-dronono tsy niova ny tsirony ny reniranonin'ny divay matsiro ho an'ny mpisotro ary reniranonin'ny tantely voadio.” [Mohammad: 15].
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

