“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Explanation
Benefits
Fampiasana fampitahana mba hanombanana sy hanazavana ny dikany.
Hoy i Al-Qurtubi : Mety hisy hiteny fa tsy ilaina ny mibango rehefa tsy misy volo ary tsy maloto ny volony? Inona no ilain'izy ireo amin'ny emboka manitra rehefa tsara kokoa noho ny misk ny fofony? Hoy izy : Valiny fa ny fahasambaran’ny mponin’ny Paradisa eo amin’ny lafiny sakafo, zava-pisotro, fitafiana ary menaka manitra dia tsy vokatry ny fanaintainan’ny hanoanana, ny hetaheta, ny fitanjahana na ny maimbo, fa noho ny fahafinaretan’ny hafa sy ny fitahiana nifandimby, ary ny fahendrena amin’izany dia ny fankafizan’izy ireo karazana izay nankafiziny teto amin’ity tontolo ity.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

