Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), izy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Efa nanandrana ny tsiron'ny finoana izay nanaiky an'i Allah ho Tompony, ary ny silamo no finoany, ary i Mohammad no irak'Allah ho aminy"
Explanation
Voalohany : Afa-po amin’i Allah amin’ny maha-Tompo Azy, ary izany dia amin’ny famenoana ny fony amin’izay avy amin’I Allah araka ny maha tompo Azy, amin'ny lafiny fizarazarana ny anjaram-pivelomana sy ny toe-piainana, ka tsy hita ao am-pony ny fanoherana amin'izany rehetra izany, ary tsy mitady Tompo hafa afa-tsy Allah izy.
Faharoa : Afa-po tamin'ny finoana silamo izy, izany dia ny fisokafan'ny fony amin'ireo adidy aman-draikitra ao amin'ny finoana silamo, ary tsy hitady làlana hafa ankoatra ny finoana silamo.
Fahatelo : Afa-po tamin’ny maha Iraka an'i Mohammad (S.A.W), izany dia ny fisokafan'ny fony sy firavoravoany amin’ny zavatra rehetra nentiny tsy misy fisalasalana, ka tsy nanaraka afa-tsy izay mifanaraka tamin’ny sori-dàlany ihany.
Benefits
Ny vatana dia tsy mahatsapa ny tsiron-kanina sy zava-pisotro raha tsy rehefa salama, ary toy izany koa ny fo raha afaka amin’ny aretin’ny fanirian-dratsy sy ny filàna voarara, dia mahita ny hamamin’ny finoana, fa rehefa marary ny fo dia tsy hahatsapa ny hamamian'ny finoana, ary mety hihevitra ny faniriana sy ny fahotana izay manimba azy.
Raha afa-po amin’ny zavatra iray ny olona ka mankasitraka izany, dia ho mora aminy ny raharahany, ary tsy hisy ny sarotra aminy ny fanatanterahana azy, ary ho faly izy amin’izay rehetra nentiny, ary hifangaro amin'ny fifalina ny fony. Ary toy izany koa ny mpino, raha miditra ao am-pony ny finoana, dia ho mora aminy ny fankatoavana ny Tompony ary hahazo tsiro izany ny fanahiny, ary tsy havesatra aminy ny fahasarotany.
Nilaza i Ibn al-kayyim : Ity Hadith ity dia ahitana ny fahafaham-po amin'ny maha-tompo Mpahary Azy, sy amin'ny maha Tompo tompoina Azy, ary fahafaham-po amin'ny irak'Allah sy fanekena azy ary ny fahafaham-po amin'ny finoany sy miambany aminy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

