“Tsy misy Mpaminany izay nirahin’I Allah ho amin’ny vahoaka iray teo alohako, afa-tsy hoe manana mpanara-dia amin'ny vahoakany izy, izay namana mandray tsara ny fomba amam-panaony sy manatanteraka izany,
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Masondi (R.A), niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe : “Tsy misy Mpaminany izay nirahin’I Allah ho amin’ny vahoaka iray teo alohako, afa-tsy hoe manana mpanara-dia amin'ny vahoakany izy, izay namana mandray tsara ny fomba amam-panaony sy manatanteraka izany, Avy eo dia hisy mpandimby manaraka azy ireo miteny izay tsy ataony ary manao izay tsy andidiana azy, koa izay miady amin’izy ireo amin’ny heriny dia voasokajy ho mpino, ary izay miady azy ireo amin'ny lelany dia mpino, ary izay miady amin’izy ireo amin’ny fony dia mpino, ary ankoatra izany dia tsy misy finoana intsony na dia toy ny voantsinapy iray aza”.
Explanation
Benefits
Ny tsy fanoheran’ny fo ny ratsy dia porofon’ny fahalemena na tsy fisian’ny finoana.
Nataon’I Allah ho mora tamin’ireo mpaminany ny hitondra ny hafany taorian’izy ireo.
Izay te ho voavonjy dia tsy maintsy manaraka ny sori_dàlan’ireo mpaminany. Satria ny làlana rehetra ankoatry ny azy dia fandringanana sy fakam-panahy avokoa.
Isaky ny mihalavitra ny vanom-potoan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo mpiara-dia aminy, dia nandao ny Sonnah ny olona, ka lasa_nanaraka ny faniriany ary nampiditra hevi-diso sy forona.
Fanazavana ireo dingana amin'ny ady masina, izy dia ato amin'ny hery ho an'izay afaka manova izany amin'ny heriny, toy ny mpitondra sy ny fanjakana, ary ireo filoha, sy amin'ny teny dia amin'ny alàlan'ny filazana ny marina sy ny fiantsoana mankany aminy, ary amin'ny fo dia amin'ny alàlan'ny fandavana ny ratsy sy ny tsy fitiavana na fankasitrahana azy.
Voadidy ny famporisihana amin'ny tsara ary ny fandrarana amin'ny ratsy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

