Ny Imany na ny finoana dia manana sampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny Imany na ny finoana dia manana sampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".
Explanation
Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany.
Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany.
Avy eo dia nampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.
Benefits
Ny Fanekem-pinoana dia teny sy asa ary foto-pinoana.
Ny fananana ny henatra dia avy amin'ny Tompo Allah ka mitaky : Tsy hahitany anao amin'ireny toerana Nadrarany anao ary Hitany mandrakariva amin'ireny toerana izay Nandidiny anao.
Filazana ireny isa dia tsy midika fijanonana amin'izany, fa midika ny hamaron'ny asan'ny finoana, satria ny Arabo dia mety hilaza isan-javatra fa tsy mitady fanafoanana ny ankoatr'izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

