Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.A) : Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".
Explanation
Benefits
Fampitandremana fatratra mba tsy ho voafitaka eo amin'ny sarisarin'asa. Satria ny Asa dia mifototra amin'ny fiafaran'izy ireo ihany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

