“Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah niteny hoe : “Ny fon’ny zanak’i Adama dia eo anelanelan’ny rantsan-tànan’Ilay Mpamindra fo, toy ny fo iray, ary ataony amin’izay tiany hatao izany.” Avy eo niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tompo Allah ô! Ianao no Mpamadibadika ny fo, ka apetraho eo amin'ny fankatoavana anao ny fonay".
Explanation
Benefits
Ny mpino silamo dia tsy maintsy mangataka mandrakariva amin'ny Tompony mba tsy hivadika amin'ny fahamarinana sy ny fitarihana.
Ny fahatahorana an’I Allah sy ny firaiketam-po Aminy irery ihany, tsy misy mpiara-miasa.
Hoy i Al-Ajri : Ny olon’ny fahamarinana dia mamaritra an’I Allah ilay Tsitoha amin’izay nambarany ny Tenany, amin’izay namaritan’ny irak’Allah azy, ary amin’izay nambaran’ny mpanaradia azy ireo, ary izany no foto-pampianaran’ny manam-pahaizana izay mpanaraka sy tsy namorona zava-baovao. vita. Ny Sonnit dia manamafy amin'I Allah izay nohamafisiny momba ny tenany amin'ny anarana sy ny toetra tsy misy fanodinkodinana, fanakorontanana, fanamafisana na fanehoana, ary mandà amin'I Allah izay nolaviny avy Aminy, ary mangina amin'izay tsy lavina no tsy voamarina, niteny I Allah manao hoe: (Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no Mandre sy Mahita ny zava-drehetra).
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

