Tsy ho lazaiko aminareo roa ve ny zavatra tsara kokoa noho izay nangatahinareo tamiko? Rehefa miakatra eo am-pandrina ianareo roa - na rehefa nikasa handeha hatory - dia mitenena hoe : "Sobhaanah" in-telo amby telopolo, "Alhamdolillahi" in-telo amby telopolo, ary "Allaho Akbar" in-efatra amby telopolo, izany dia tsara lavitra aminareo roa mihoatry ny mpanampy
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ali (R.A) : Tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima (R.A), ka nitaraina taminy ny dian'ny vato fitotoam-bary teny an-tànany, ary henony fa nisy andevo tonga tao amin'ny Mpaminany (S.A.W) saingy tsy tratrany izy, ka nolazainy tamin'i Aisha (R.A), ka rehefa tonga izy dia nolazain'i Aicha taminy,nilaza izy: Tonga tany aminay izy, ary efa teo am-pandrina izahay, ka nitraka hitsangana izahay, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "mijanona eo amin'ny toeranareo ianareo roa" ary nipetraka teo anelanelanay roa mandra-pahatsapako ny fangatsiahan’ny tongony teo amin’ny kiboko, dia niteny izy hoe : “Tsy ho lazaiko aminareo roa ve ny zavatra tsara kokoa noho izay nangatahinareo tamiko? Rehefa miakatra eo am-pandrina ianareo roa - na rehefa nikasa handeha hatory - dia mitenena hoe : "Sobhaanah" in-telo amby telopolo, "Alhamdolillahi" in-telo amby telopolo, ary "Allaho Akbar" in-efatra amby telopolo, izany dia tsara lavitra aminareo roa mihoatry ny mpanampy."
Explanation
Benefits
Io tonom-bavaka io dia vakina rehefa hatory amin'ny alina ihany, ary ny teniny araka ny voalazan'ny Moslim amin'ny fitantaran'i Moaz sy Sho'bah : "Rehefa handeha hatory amin'ny alina ianareo roa."
Raha misy mpino silamo manadino an'io tonom_bavaka io amin'ny fiandohan'ny alina ary avy eo mahatsiaro izany amin'ny faran'ny alina dia tsy misy maharatsy ny miteny izany; Satria i Ali (R.A), ilay mpitantara ny hadith, dia milaza fa nanadino ny zavatra nolazainy tamin'ny alin'i Siffin tamin'ny fiandohan'ny alina, avy eo nahatsiaro izany izy talohan'ny maraina ka niteny azy.
Nilaza i Mohallab : Ao anatin'izany ny olona iray dia manentana ny fianakaviany hanao izay nataon'ny tenany mba ho fitiavana ny fiainana any ankoatra mihoatry ny eto an-tany raha afaka manao izany izy ireo.
Ibn Hajar Al-Askalani dia nilaza hoe : Izay tsy mitsahatra mamaky io tonom-bavaka io dia tsy harary noho ny fahamaroan'ny asa ary tsy havesatra aminy na dia mahatsiaro reraka aza izy.
Nilaza i Al-Aini : Ny lafin'ny tsara dia ny hoe: na ny tiana ho lazaina dia ny ifandraisany izany amin'ny any ankoatra sy ny eto an-tany, ary ny any ankoatra no tsara sy maharitra kokoa, na midika koa izany fa mifandray amin'izay nangatahiny, dia ny hahazoany hery hahafahany mamita ny asany amin'ny alalan'ilay tonombavaka, mihoatra noho ny vitan'ny mpanampy.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

