Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Solaiman Ibn Sward (R.A) niteny : Nipetraka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nisy roa lahy nanontany, ny tarehin’iray tamin’izy ireo nivaramena ary nivonto ny lalan-drany, ka hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "Fantatro ny teny iray fa raha miteny izany izy, dia hiala aminy ny olana. Raha niteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin'IAllah manoloana an'i Satana aho, dia hiala aminy ny olana" Dia hoy izy ireo taminy : ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe “Mitadiava fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.” Dia hoy izy : Very saina ve aho?
Explanation
Ka hoy i Mpaminany (S.A.W) : Mahafantatra teny iray aho ka raha miteny izany ilay olona tezitra, dia hiala aminy ny fahatezerana, raha miteny izy hoe : Mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana voaozona aho.
Ka hoy izy ireo taminy : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Mitadiava fialofana amin’I Allah manoloana ny Satana.
Hoy izy : Adala ve aho?! Nihevitra izy fa ny olona adala ihany no afaka mangataka fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana.
Benefits
Ny fahatezerana dia avy amin'ny devoly.
Ny baiko mandidy amin'ny fangatahana fiarovana amin’I Allah manoloana ny Satana voaozona rehefa tezitra, Hoy i Allah ilay Tsitoha : (Ary raha misy fanelingelenana anao avy amin'i Satana, dia mitadiava fialofana amin’I Allah) Ny andininy.
Fampitandremana amin'ny fanevatevana sy fanozonana sy izay mitovitovy amin'izany, ary fandroahana azy ireo; Satria miteraka fanimbana eo amin’ny olona.
Fampitana ny torohevitra ho an'ireo izay tsy nandre izany mba hahazoany tombony amin'izany.
Nampitandrina amin'ny fahatezerana ny Mpaminany (S.A.W). Satria mahatonga ny faharatsiana sy ny tsy fitandremana izany, ary ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy ho tezitra raha tsy voahitsakitsaka ny fahamasinan’I Allah ilay Tsitoha, ary izany dia fahatezerana mendri-piderana.
Hoy i Al-Nawawi momba ny teniny hoe : “Mihevitra ve ianao fa misy hadalana ato amiko?”: Mety ho anisan'ireo mpihatsaravelatsihy na iray tamin'ireo tambanivolo masiaka ity mpandahateny ity.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

