Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”
Explanation
Benefits
Voarara ny fanambaniana sy firesahana na ny fitenenan-dratsy olona amin'ny endrika fanambaniana sy fanaratsiana.
Ny famaritana ny kilema ara-batana dia anisan'ny fanalam-baraka.
Hoy i Al-Qadi : Ny fampifangaroana, fampitambarana ary fanovana amin'ny fanampiana zavatra hafa amin'izany, ary ny dikany dia hoe raha zavatra nifangaro tamin'ny ranomasina io tsy fisiana io, dia hanova azy amin'ny toerany izy, na dia eo aza ny habeny sy ny hamarony, ka ahoana momba ny asa madinidinika nifangaro tamin'io?
Manazava ny sasany amin'ireo fialonana mitranga eo amin'ny mpivady.
Tsy nankasitraka ny fanaratsiana ny Mpaminany (S.A.W).
Manambany ny maha zava-dehibe izao tontolo izao sy izay ao anatiny raha ampitahaina amin’ny fahafaham-pon’I Allah Tsitoha fa tsy ny fahatezerany.
Ny finoana silamo dia finoana manana fitondran-tena tsara, ary mandidy ny fiarovana ny voninahitra tsy ho voahitsakitsaka amin'ny teny na amin'ny asa. Satria miteraka fifandrafiana sy fankahalana eo amin'ny samy mpino silamo izany.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

