“Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
Explanation
Benefits
Hoy I Ibn Al-Khazen : Ny fahasoavana dia izay ankafizin'ny olona sy hahazoany fahafinaretana, ary ny tsy rariny dia ny fividianana amin'ny vidiny avo heny, na mivarotra amin'ny vidiny mitovy. Na izay manana vatana salama sy afaka amin’ny asa mafy ary tsy mikatsaka izay hahasoa ny any ankoatra dia toy ny olona voafitaka tamin’ny varotra.
Tokony hifikitra sy hanararaotra amin'ny fahasalamana sy ny fotoana malalaka hanatonana an’I Allah Tsitoha, ary manao asa tsara alohan’ny hahalasana azy.
Ny fisaorana ny fahasoavan’I Allah dia amin'ny alàlan'ny fampiasana azy ireny ho fankatoavana an’I Allah Tsitoha.
Niteny Al-Qaadi sy Abo Bakr Ibn Al-Arabi hoe : Tsy nitovy hevitra izy ireo momba ny fahasoavana voalohany avy amin'I Allah ho an'ny mpanompo. Satria misy ny miteny hoe : Ny finoana, miteny ny hafa : Ny fiainana, miteny koa ny hafa : Ny fahasalamana, fa ny voalohany kosa dia fahasoavana tanteraka, fa ny fiainana sy ny fahasalamana dia fahasoavana eto an-tany, ary tsy tena fahasoavana izany raha tsy miaraka amin’ny finoana, ka ho voafitaka amin’izany ny olona maro, izany hoe miala ny tombony na mihena, Ka izay manaram-po amin’ny faharatsiana mandrakizay ka manao tsirambina ny fitazonana ny fetra ary maharitra amin’ny fankatoavana dia nanao fahotana toy izany koa raha tsy misy dikany izy, dia mety hanana fialan-tsiny hafa ankoatra ny tsy misy. Esorina aminy ny fialan-tsiny ary mifototra aminy ny tohan-kevitra.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

