“Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Wael Al-Hadrami, niteny hoe : Nanontany an'ny Mpaminany - (S.A.W) i Salama bin Yazid Al-Ja'fi (R.A) manao : Ry mpaminanin’I Allah ô, raha misy mpitondra eo aminay, maka aminay ny amin’ny zony ary mandà tsy manome anay ny zonay, inona no handidianao anay? Dia niamboho izy, avy eo nanontany azy ihany, fa mbola niamboho izy, dia nanontany azy fanindroany na fanintelony. Teo dia nisintona azy i Al-Ash'ath ibn Qays ary niteny hoe : “Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo".
Explanation
Koa niamboho i Mpaminany (S.A.W); toy ny hoe mankahala ireo olana ireo izy, saingy niverina tany aminy fanindroany sy fanintelony ilay nanontany azy, ka i Al-Ash’ath ibn Qays (R.A) no nandresy lahatra ilay nanontany azy mba hangina.
Namaly i Mpaminany manao hoe : Henoy izay lazainy ary ankatoavy ny didiny. Fa izy ireo no tompon'andraikitra amin'izay iampangana azy sy izay nanendrena azy, ny rariny sy ny fanomezana ny zo ho an'ny olom-peheziny, ary eo aminareo no iampangana anareo amin'ny fankatoavana, ny fanatanterahana ny zo ary ny faharetana manoloana ny olana sy ny fitsapana.
Benefits
Ny tsy fitandreman’ny mpitondra amin’ny adidiny dia tsy manala ny tsy fitandreman’ny vahoaka amin’ny adidiny ho setrin’izany. Tompon’andraikitra amin’ny asany ny tsirairay, ary tompon’andraikitra amin’ny lesoka.
Ny finoana dia tsy mifototra amin'ny fifampiraharahana, fa amin'ny fanoloran-tena amin'ny zavatra tsy maintsy atao, na dia tsy mahavita izay adidiny aza ny hafa, araka ny voalazan'ity hadith ity.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

