Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny : Rehefa tonga ny folo andro farany, dia namelona ny alina ny irak'Allah, namoha ny fianakaviany, ary nanamafy sy namehy ny sikiny.
Explanation
Benefits
Hoy i Al-Nawawi : Ao amin'ity hadith ity : Dia tsaratsara ny mampitombo ny fanompoana amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary hamelona indray ny aliny amin'ny fotoam-pivavahana.
Ny mpanompo dia tokony hanentana ny ankohonany amin'ny fibaikoana azy hivavaka, ary hanam-paharetana amin'izy ireo.
Mitaky fahavononana sy faharetana ary fikirizana ny fanaovana asa soa.
Hoy i Al-Nawawi : Tsy nitovy hevitra ny manam_pahaizana momba ny dikan'ny hoe (manamafy ny sikina) dia nisy niteny hoe : Miezaka mafy amin’ny asa fanompoana ho fanampin’ny fahazarany i Mpaminany (S.A.W) izay midika hoe : mihosin-doha amin’ny asa fanompoana, voalaza : Namehy ny sikiny, izany hoe : Nitoka-monina mba hifantoka tsara, izany dia fisitahany amin'ireo vehivavy vadiny noho ny fifantohany betsaka amin'ny asa fanompoana.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

