Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Nisy iray tamin'ireo mpanaradia ny Mpaminany (S.A.W) nahita ny Laylat al-Qadr tamin'ny nofy nandritra ny fito alina farany, ary hoy ny irak'Allah hoe : «Hitako ny nofinareo, Nitambatra tao anatin'ny fito andro farany izy, ka izay mpitady azy dia tokony hitady azy ao anatin'ny fito andro farany."
Explanation
Benefits
Noho ny fahendren’I Allah sy ny famindram-pony, dia nafeniny ity alina ity mba hamporisika ny olona hivavaka, hitady izany, mba hitomboan’ny valisoany.
Ny Laylat al-Qadr dia ao anatin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary amin'ny fito andro farany no tena misy azy.
Ny Laylat al-Qadr dia iray amin'ireo alina folo farany amin'ny Ramadany, ary io no alina nampidinan'Allah ny KORAN tamin'ny Mpaminany (S.A.W), ary nataony tsara kokoa noho ny arivo volana io alina io noho ny fitahiany sy ny hasarobidiny ary ny vokatry ny asa soa ao aminy.
Nantsoina hoe (Laylat al-Qadr) izy io noho ny hevitr’izany, na avy amin’ny voninahitra, ka izany no ilazana hoe : Tena sarobidy i ranona, ka ny fanampiana ny teny hoe alina dia midika hoe manampy zavatra amin’ny famaritana azy, izany hoe ny alina manan-kaja, izay midika fa manana voninahitra, famirapiratana, toerana, sns., “Eny tokoa, nampidina izany tamin’ny alina feno fahasoavana". [Al-Dukhan: 3], na ny amin’ny fanombantombanana : fanampiana azy dia avy amin'ny fampidirana ny adverbe amin'izay ao anatiny, izany hoe ny alina izay tombanana ny zava-mitranga amin'ny taona. “Amin’izany no itantanana ny didy feno fahendrena rehetra” [Al-Dukhan: 4].
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

