Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tadiavo ny Laylat al-Qadr amin'ny alina isa tsy mivaky (impaire) amin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany."
Explanation
Benefits
Noho ny fahendren’I Allah sy ny famindram-pony, dia nafeniny ity alina ity mba ho famporisina ny olona hivavaka, hitady izany, mba hitomboan’ny valisoany.
Ny Laylat al-Qadr dia ao anatin'ny folo andro farany amin'ny Ramadany, ary amin'ny alina amin'ny isa tsy mivaky.
Ny Laylat al-Qadr dia iray amin'ireo alina folo farany amin'ny Ramadany, ary io no alina nampidinan'I Allah ny KORAN tamin'ny Mpaminany (S.A.W), ary nataony ho tsara kokoa mihoatry ny arivo volana io alina io noho ny fitahiany sy ny hasarobidiny ary ny vokatry ny asa soa ao aminy.
Nantsoina hoe (Laylat al-Qadr) izy io noho ny hevitr’izany, na avy amin’ny voninahitra, ka izany no ilazana hoe : Tena sarobidy i ranona, ka ny fanampiana ny teny hoe alina dia midika hoe manampy zavatra amin’ny famaritana azy, izany hoe ny alina manan-kaja, izay midika fa manana voninahitra, famirapiratana, toerana, sns., “Eny tokoa, nampidina izany tamin’ny alina feno fahasoavana". [Al-Dukhan: 3], na ny amin’ny fanombantombanana : fanampiana azy dia avy amin'ny fampidirana ny adverbe amin'izay ao anatiny, izany hoe ny alina izay tombanana ny zava-mitranga amin'ny taona. “Amin’izany no itantanana ny didy feno fahendrena rehetra” [Al-Dukhan: 4].
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

