“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Jàbir Ibn Abdillah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”, ary ny Mpaminany (S.A.W) nomena vilany nisy anana voanjobona tao, ka naheno fofona avy tamin’ireo izy, ka nanontany izy ka nolazaina ny tao anatiny; dia hoy izy : Ento any amin'ireo mpanara-diako, ary nony nahita azy nankahala ny fihinanana izany izy ireo, dia niteny hoe : “Mihinàna ianao izaho dia mifampiresaka amin’izay tsy iresahanao.” Ary voarakitra ao amin'ny bokin'i Moslim, notaterin'i Jàbir bin Abdillah, avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : "Izay nihinana amin'ity anana, tongolo gasy ity - ary hoy izy indray mandeha : Izay mihinana tongolo sy tongolo lay ary ny lozaka, dia aza manakaiky ny moske misy anay, satria ny anjely dia voahelingelina amin'izay zavatra manelingelina ny zanak’i Adama.
Explanation
Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjely dia voahelingelina amin'ny fofona ratsy, toy ny mahavoahelingelina ny olona amin'izany.
Benefits
Anisan’ireny zavatra ireny ny zava-drehetra misy fofona ratsy manelingelina ny mpivavaka, toy ny fofona setroka (sigara), paraky, sy ny toy izany.
Ny fofona no anton'ny fandrarana, ka raha manjavona izany noho ny fandrahoana azy maharitra na noho ny antony hafa; dia miala ny fankahalana izany.
Tsy tsara ny mihinana ireny zavatra ireny ho an'ireo izay tsy maintsy manatrika soalat ao amin'ny moske. Mba tsy hahavery ny mpiangona ao amin'ny moske, raha tsy mihinana izany izy mba hisorohana ny fanatrehana, ka amin'izay dia voarara izy.
Fanakan-tenan’ny mpaminany (saw) ny fihinana tongolo gasy sy ny toy izany tsy noho ny fandrarana izany, fa noho izy firesahany tamin'ny anjely Jibril.
Ny fampianarana tsaran'ny Mpaminany (S.A.W) raha ampifandraisiny amin'ny fanazavana ny anton'ilay didy; manome toky ny mpandray anjara amin'ny fahalalana ny fahendrena.
Hoy ny AL-QÀDI : Nampitahain’ny manam-pahaizana tamin’ny fivoriam-bavaka ankoatry ny moske izany, toy ny fanatrehana Soalat Eid, ny fandevenana, ary ny fivoriam-pivavahana mitovitovy amin’izany, ary koa ny fivoriam-pahalalana, ny fahatsiarovana, ny fanasambe sy ny toy izany, fa ny tsena sy ny toy izany dia tsy tafiditra anatiny.
Hoy ny manam-pahaizana : Ity hadith ity dia porofo milaza fa ny fihinanana tongolo gasy sy ny toy izany dia voarara tsy hiditra ao amin'ny moske - na dia foana aza - satria toeran'ny anjely izany, ary araka ny hevitr'ireo hadith amin'ny ankapobeny.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

