Ny laharana tsara indrindra ho an'ny lehilahy dia ny voalohany, ary ny ratsy indrindra dia ny farany, ary ny laharana tsara indrindra ho an'ny vehivavy dia ny farany, ary ny ratsy indrindra dia ny voalohany
Choose an available translation of this Hadeeth
Hadeeth text
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Ny laharana tsara indrindra ho an'ny lehilahy dia ny voalohany, ary ny ratsy indrindra dia ny farany, ary ny laharana tsara indrindra ho an'ny vehivavy dia ny farany, ary ny ratsy indrindra dia ny voalohany."
Explanation
Benefits
Azon'ny vehivavy atao ny mivavaka ao amin'ny moske miaraka amin'ny lehilahy amin'ny filaharana misaraka, saingy misarona sy ny amin'ny fahamaotinana.
Raha miangona ao amin'ny moske ny vehivavy dia manangana laharana, toy ny an'ny lehilahy, ary tsy misaraka izy ireo, ary tsy maintsy milahatra ary mameno ny banga, toy ny an'ny lehilahy.
Fanazavana ny maha-zava-dehibe ny lalàna silamika amin'ny famporisihana ny vehivavy hanalavitra ny lehilahy, na dia any amin'ny sehatra fanompoana aza.
Arakaraka ny asany no maha mendrika ny olona.
Nilaza i Nawawi : Raha ny laharan'ny lehilahy amin’ny ankapobeny dia voalohany hatrany no tsara, ary ny farany no ratsy. Fa ny mahakasika ny laharan'ny vehivavy kosa, dia ny tiana hambara amin'ilay hadith dia ny laharan'ireo vehivavy miara-manao swalat amin'ny lehilahy, fa raha mivavaka mitokana tsy miaraka amin'ny lehilahy kosa izy ireo dia tahaka ny lehilahy ihany. Ny tsara indrindra amin'ny laharan'izy ireo dia ny voalohany ary ny ratsy amin'izany dia ny farany.
Hoy i Nawawi : Ny laharana voalohany noderaina, izay voalaza ao amin'ny hadith ny hatsarana sy ny famporisihana aminy, dia ny laharana aorian'ny imam. Na tonga aloha na tara ny tompony, ary na dia elanelanin-javatra aza na tsia.
Attribution
Categories
Share hadeeth
Sharing options · 0 Total shares

